Ady Hova-Frantsay
Ny Ady Hova-Frantsay (antsoina koa hoe ny Ady Malagasy-Frantsay) dia ny fanafihanana nataon’ ny Frantsay an’ i Madagasikara teo anelanelan’ ny taona 1883 sy 1896 ary nitondra ny fanonganana ny fanjakana Merina, izay nahatonga an’ i Madagasikara ho lasa zanatany frantsay. Ny hova dia anarana saranga anatin’ ny foko Merina.
Ady Hova-Frantsay voalohany
hanovaNatafihan' i Frantsa i Madagasikara tamin' ny 1883 ary teo ny fanombohana fantatra ny ady Hova-Frantsay voalohany. Tapitra tamin' ny fanasoniavana ny Fifaneken' i Toamasina tamin' ny Janoary 1886 ny ady. Verin' i Fanjakan'i Madagasikara ny tanànan' Antsiranana (Diego-Suarez) any amin' ny morontsiraka avaratra ary nandoa 10 tapitrisa franc tamin' i Frantsa. Nisy 'Taratasy Fanazavana' niaraka tamin' ilay fifanekena izay manazava lalindalina kokoa ilay fifanekena, kanefa tsy natolotra tany amin' ny Antenimieram-pirenena Frantsay ilay taratasy talohan' ny fanasoniavana ary ny fankasitrahan' i Madagasikara azy. Ilay fifanekena voasonian' ny Fanjakana dia nahafahan' i Frantsa nitondra ny fifandraisan' i Madagasikara tany ivelany, anefa mbola tsy voambara tamin' ny fomba ôfisialy ny fiantoham-piarovana.
Ady Hova-Frantsay Faharoa
hanovaNy Ady Hova-Frantsay faharoa (amin' ny teny frantsay L'Expédition de Madagascar) dia nanomboka tamin' ny 1894 ary nifarana tamin' ny 1895. Ny fandresen' ny Frantsay no ny fiafaran' ny Ady hova-frantsay faharoa.
Tonga tany Madagasikara ny tafika nalefan' i jeneraly Jacques Duchesne[1]. Notifirina tamin' ny tafondro ary notafihana ireo seranana malagasy amin' ny amorontsiraka andrefana (Mahajanga, 1894) ary atsinanana (Toamasina, 1895)[2]. Nametra-tongotra an-tany ireo tarika, fa tonga tamin' ny volana Mey ny taona 1895 ny ankamaroan' ny tafika, izany hoe olona dimy arivo sy iray alina (15 000) ary mpitondra enina arivo[3][4]. Nandritry ny andro fahavaratra ny fanafihan' ny Frantsay an' i Madagasikara, ary betsaka ny matin' ny aretina taoriana[5].
Taorian' ny nahatongavan' ny Frantsay, nikomy ireo foko malagasy tanindrana. Maro samihafa ny antom-pikomian' ireo foko malagasy tanindrana: asa anterivozona, governemanta, kristianizasiôna[6].
Nandroso ihany ny Frantsay nankany Antananarivo, voatery namboatra lalana izy ireo nandritry ny fandrosoany[7]. Tamin' ny 1895, eo antsasa-dalana ny frantsay, any Andriba, be bamba (fortification) anefa tsy dia nisy ady firy[8]. Ampahatelon' ny Frantsay no matin' ny aretina[9] isan-karazany: tazo, disanteria ary fanaviana tifôida. Amin' ny farany, olona enina arivo no maty nandritra ilay fanafihana, frantsay no 4/5 ny izy ireo[10].
Nanandrana nanohitra ny Frantsay ny tany Tsarasaotra ny tafik' i Rainilaiarivony tamin' ny 29 Jiona 1895, ary tany Andriba tamin' ny 22 Aogositra 1895. Nanandrana nanafika ny "colonne volante" an' i Duchesne i Rainilaiarivony tamin' ny volana Septambra, fa matin' ny tafika frantsay ny mpitifitra havanana malagasy[11].
Ny miaramila ao amin' Vilay "colonne volante" dia miaramila avy any Afrika Frantsay, avy any Aljeria ary miaramila frantsay ao amin' ny Marine ; nitondra ramole izy ireo hitondra ny entany. Tonga tao an-drenivohitra izy ireo tamin' ny faran' ny volana septambra[12]. Natodika tany amin' ny Rova ny tafondro, mitifitra obus ary nahafaty miaramila merina maro dia maro[13]. Taorian' ny tifitra volaohany, tonga dia mitolo-batana avy hatrany ny Mpanjakavavy[14][15].
-
Tafika frantsay tamin'ny Ady Hova-Frantsay.
-
Tafika Merina manotrika.
-
Tafika Merina miambina.
Nandritra ilay ady, 25 fotsiny no isan' ireo Frantsay matin' ny ady.
Jereo koa
hanovaTsiahy
hanova
|