Aller au contenu

Ireneo avy any Logdonoma

Avy amin'i Wikipedia
Ireneo avy any Logdonoma
Ankapobeny
Anarana Ireneo avy any Logdonoma
Teraka Taona 130
Maty Taona 202
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Roma Taloha
Asa :
Fiainana manokana

Ireneo avy any Logdonoma na Ireneôsy avy any Smirna dia teôlôjiana rômana teraka tamin' ny taona 130 tao Azia Minora ary maty tamin' ny taona 202 na 208. Anisan' ny Rain' ny Fiangonana naohitra ny gnôstisisma izy. Fahakeliny dia nandre ny fampianaran' i Pôlikarpôsy, izay mpianatr' i Joany evanjelista, izy. Tonga evekan' i Logdonoma (frantsay: Lyon) izy tamin' ny taona 177. Niady tamin' ny fampianaran' ny gnôstisisma izy nandritra ny naha eveka azy ka nanoratra boky ho amin' izany. Amin' i Ireneo dia ny Fiangonana no mpiambina ny fahamarinana sy ny finoan' ny Apôstôly izay nipoitra tamin' ny Soratra Masina.

Atao hoe Irenaeus Lugdunensis izy amin' ny teny latina fa Εἰρηναῖος Σμυρναῖος / Eirênaĩos Smyrnaĩos kosa amin' ny teny grika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.