Aller au contenu

Fanindrahindram-pirenena

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanindrahindram-pirenena na nasiônalisma dia hevitra na hetsika izay milaza fa ny ny foko na firenena iray dia tokony ho fanjakana iray. Toy izao no mety ho fisehon' izany fiheverana izany:

  • ny fomba tsara indrindra hanaovana izany dia ny fananan' ny foko na vahoaka tokana ny fireneny sy ny fiarahamoniny ka afaka mitondra ny tenany tsy misy fehy na fampahoriana ilay foko na ilay vahoaka;
  • ny fanindrahindram-pirenena dia fomba tsara indrindra fanavotana vondron' olona kely fa tsy matanjaka, izay rahonan' ny fifangaroam-poko;
  • tsara kokoa izao tontolo izao rehefa betsaka ny fahasamihafana ara-kolontsaina.

Ny fanindrahindram-pirenena na nasiônalisma dia ainga fototra ara-pôlitika niseho tamin' ny faran' ny taonjato faha-18, izay manaiky ho ara-dalàna ny fisian' ny fanjakana-firenena ho an' ny vahoaka tsirairay, voafaritry ny toetra manokana sy iraisan' ny olona ao aminy, toy ny fiteny, ny tantara sy kolontsaina nifandovana na ny soatoavina ara-pôlitika. Tamin' ny voalohany, ny fanindrahindram-pirenena dia nanohitra ny fanjakà-mpanjaka (fitondrana ara-pôlitika izay nantsoina hoe Ancien Régime tany Frantsa tatỳ aoriana). Nihananjaka tsikelikely tany Eorôpa izy io nandritra ny taonjato faha-19 ary niafara amin' ny fanjavonan' ny empira efatra nahitana vahoaka sy foko sady aotôkratika tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20: ny Empira Alemana afovoany roa, ny Empira Rosiana sy ny Empira Ôtômana. Hatramin' ny nanombohany dia niseho ho zavatra azo tsapain-tanana teo amin' ny fiainana ara-pôlitika sy ara-tsôsialy ny fanindrahindram-pirenena.

Ny fanindrahindran-tanindrazana na nasiônalisma koa dia manondro hetsika ara-pôlitika izay manambara fa te hanandratra firenena iray amin' ny endriny rehetra (fanjakana, kolontsaina, fivavahana, foko, fiteny, tantara, lovantsofina, safidim-pirenena amin' ny asa, sns), mifanohitra amin' ny firenena sy ny mponina hafa. Ity karazany faharoan' ilay hetsika ity dia nivoatra nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato faha-19, manodidina ny taona 1870: lasa fitiavan-tanindrazana tafahoatra (frantsay: chauvinisme) sy fankahalana vahiny (ksenôfôbia) ka nahatonga ny mpikatroka ao aminy tao amin' ny saranga anelanelan' ny madiotanana sy ny an' ny mpiasa indrindraindrindra, atao hoe "madiotanana madinika".

Ny nasiônalisma dia mifototra amin' ny fitoriana ny tsy fivadihana sy ny fanoloran-tena ho an' ny firenen' ny tena, ny fahaleovantena ara-pôlitika, ny fisian' ny hevi-pirenena ho fiarovana azo ampiharina amin' ny toe-piainam-pirenena, ny toerana ananan' ny firenena fisiana, ny loharanon-karena ary ny soatoavina ara-panahy.

Eo amin' ny fampiharana dia azo jerena ho tsara na ratsy ny fanindrahindram-pirenena, arakaraka ny zava-misy manodidina azy sy arakaraka ny fomba fijerin' ny tsirairay. Tena samy hafa ny endriky ny nasiônalisma any amin' ny firenena samihafa amin' ny vanim-potoana samihafa. Hery lehibe ny nasiônalisma izay nanosika ny hetsika ho an' ny fahaleovantena toy ny Revôlisiôna Grika, ny fahaleovantenan' i Irlandy, ny Fikomiana Arabo Lehibe, ny Hetsika Nasiônaly Palestiniana, ny fanafoanana ny fanjanahan-tany tao amin' ny Tontolo Fahatelo, ny fanoherana mitam-piadiana iraniana nandritra ny Ady Iràna-Iràka ary ny faharavan' ny Firaisana Sôvietika. Mifanohitra amin' izany kosa ny fanindrahindram-pirenena imperialista mikatsaka ny fanitaran-tany ganjakazakana izay antony lehibe indrindra amin' ny fihantsiana ady, toy ny fasisma sy ny nazisma ary ny sopremasisma.

Lohahevitra iadian-kevitra ao amin' ny filôzôfia ny soatoavina ara-môraly ao amin' ny nasiônalisma sy ny fifandraisana misy eo amin' ny fanindrahindram-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ary ny fampifanarahana ny nasiônalisma sy ny kôsmôpôlitisma. Ny nasiônalisma dia azo ampiarahina amin' ny tanjona sy firehan-kevitra ara-pôlitika isan-karazany toy ny kônservatisma (nasiônaly-kônservatisma) sy/na sôsialisma (nasiônalisma elatra havia), izay samy miaro, amin' ny ankapobeny, foto-kevitra mitovy momba ny fiarovana ny firenena-fanjakana sy ny fiarovana ny maha izy azy ny firenena ary hita ao amin' ny nasiônalisma samihafa amin' ny endrika sivika (tsy mankahala vahiny), ara-kolontsaina (firenena manana kolontsaina tokana) ary/na ara-poko (manindrahindra ny maha foko iray ny firenena), saingy tsy mitovy eo amin' ny resaka foto-kevitra ara-tsôsialy sy ara-toekarena.

Nanomboka tamin' ny tapaky ny taonjato faha-19, ny nasiônalisma koa dia miseho ho fahatsapana nasiônaly miely patrana sy misandratra ao amin' ny mponin' ny firenena iray, ary miseho (indrindra tamin' ny taonjato faha-20) ao anatin' ny foto-pampianarana na foto-kevitra pôlitika maro. Mety ho noheverina ho mendrika ny nasiônalisma mba hanamarinana ny tolona ho amin' ny fanafaham-pirenena sy ny fahaleovan-tena, saingy koa natao hanamarinana ny fanadiovam-poko tamin' ny taonjato faha-20 ihany koa izany. Izany fisian' ny nasiônalisma ombieniombieny izany dia angamba azo hazavaina satria lasa mpanetsika mahery vaika ny fihetseham-po momba ny firenena, araka ny efa fantatry ny mpanolotsaina sasany tao amin' ny tarana-mpanjaka eorôpeana raha vantany vao nanomboka ny Lohataonan' ny Revôlisiôna tamin' ny taona 1848.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.